<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>R. Rafihavanana</author>
<hymn_number>164</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Jesosy irery ihany :
 Filazantsara soa !
 Nentin'ireo mpanompo,
 torina aminao
 Maizina avokoa izao rehetra
 izao,
 Nefa he, ny mazava naposaka
 aminao !

[V2]
 Jesosy irery ihany :
 no ivavahana,
 Ny Anarany irery no
 fanavotana,
 Ny olona rehetra no
 handohalika
 Etý an-tany ka hatrany
 an-danitra !

[V3]
 Jesosy tsy miova
 omaly sy anio
 Ary mandrakizay,
 fa tsy mamitaka,
 Mifona ho antsika eo
 an-kavanan-dRay
 JESOSY IRERY IHANY re
 no isaorana !</lyrics>
<title>Jesosy irery ihany FFPM164</title>
</song>